Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin’ io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin’ ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.